Mianara (NOMIA (NOrmaliens MItory An-kira))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mba miezaha agnao
Fa ny mahay ihany ro tafita amin’ny fiagnana eto an-tany

{Mba mianara soa agnareo rakilonga
Fa ny fiaignan’eto anie tsa vita moramora
Lehy io ro ataonao kinanga
Efa fantatsao dia fa loza ro hitranga} in-2

Fa ny ray aman-dreny izay mikolo sy magnabe anao
Magniry mafy ny hahatafita anao
{Dia avilao izay tsa mahasoa
Fa ny fianarana ro ataovy soa
Fero am-bavaka ko mahereza
Na dia mafy sy mandalo sedra} in-2

{Mba mianara soa sy mahaiza mamindra
Fa ny fianarana no lova soa indrindra
Hanagnao ny hoavy mamiratsa
Araho vavaka amin’i Tompo Andriamagnitsa} in-2

Fa ny ray aman-dreny izay mikolo sy magnabe anao
Magniry mafy ny hahatafita anao
{Dia avilao izay tsa mahasoa
Fa ny fianarana ro ataovy soa
Fero am-bavaka ko mahereza
Na dia mafy sy mandalo sedra} in-2

Mba miezaha agnao
Fa ny mahay ihany ro tafita amin’ny fiagnana eto an-tany

T/F: TANTELY Andriamampiandra Abelson
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : NOMIA (NOrmaliens MItory An-kira)
Vangy : 5
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Prosper01
Daty : 12/06/2026 11:35
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0358