Paroasy Tangaina (Antsan'ny Serafima Tangaina)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Andriamanitra Ray sy ny ZanakaSy ny Fanahy Masina
Ankalazaina ny Anaranao sy ho deraina mandrakizay.
Masimbavy Cécile olomasina
Mpiaro ny fiangonanay
Nitrotro am-bavaka, nitondra an-tànana, arivao izahay.
REF 1 : Maro ny ezaka vita
Maro ny ho mbola ho avy
Ny hikatsaka hatrany ny hampandroso ity Paroasy.
Fahasoavana hatrany
Matoa tonga amin'izany ô!
Tsy haiko lavina ny antsonao ô ry Raiko
Ny fitiavako ny tranonao no maharitra ny aiko.
2. Olo-maro be ny niasa tao
Nahatontosa izao rehetra izao
Misy anefa ny vokatra dia nohon'ny fiombonana.
Eny sambatra sy tretrika
Manan-kianteherana
Manana olomasina, tsara ho tahafina, isaoranay Ianao.
REF 2 : Maro ny ezaka vita
Maro ny ho mbola ho avy
Ny hikatsaka hatrany ny hampandroso ity Paroasy.
(Satria dimy taoana izay i Tangaina no efa Paroasy.)
Fahasoavana hatrany
Matoa tonga amin'izany ô!
Tsy haiko lavina ny antsonao ô ry Raiko
Ny fitiavako ny tranonao no maharitra ny aiko.
3. Fandrosoana sy fivoarana
Finoana, fanamboarana
Zava-tsoa izay napetraka
Ho lovan'ny taranaka.
A/C : RABEMANANTSOA Njato Ny Aina
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Antsan'ny Serafima TangainaVangy : 10
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Tefy606
Daty : 12/06/2026 14:31
