Mbola misy (Railovy)


Hampiditra sary
Sary hafa
Mpihira : Railovy
Mpamaky : 1174
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 27/10/2001 00:10:04
ID : 155

Imprimer Facebook Facebook
Ny aizina efa lasa
Mazava izao rehetra izao
Ny saiko tany ho any
Mitondra hafatra ho anao

Mbola misy izay tavela ato am-poko ato ho anao
Mbola misy bitsibitsika tsy afaka mandao
Haiko antsoina ihany ny fanadinoina
Haiko mora ihany ny mifanao veloma
Saingy ao an-tratra mamelovelo ao : « tia anao »

Indray maraina tsaroako izany
Mitady anao hatraiza hatraiza
Tsy nahita anefa ka tomany aho
Nivetso izao hafatra izao

Mbola misy izay tavela ato am-poko ato ho anao
Mbola misy bitsibitsika tsy afaka mandao
Haiko antsoina ihany ny fanadinoina
Haiko mora ihany ny mifanao veloma
Saingy ao an-tratra mamelovelo ao : « tia anao »


Ny Railovy
J. Randria - Biry , 1965


http://www.geocities.com/TheTropics/Shores/2640/

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo