tsy manam-pahataperana (AINA)


Hampiditra sary
Sary hafa
Mpihira : AINA
Mpamaky : 1494
Nampidirin'i : gogoblie
Tamin'ny : 18/06/2006 06:32:29
ID : 3707

Imprimer Facebook Facebook
Na dia mbola zaza dia efa hary saina
Sady mahalala mahay nitantara
Ny fiainana tsy mora
Tsy maintsy misy banga
Nefa dia nakotsa misavika saranga
                   Ny masoandro nilaza nalalako fa
                   Misy anjara ho ahy ao aminy
                   Ilay tarany nataony manerana ahy
                   Isam-baravarana
                   Tsy nisy natao hifidy ny tsikiny
                    Na niangarana tsy nomeny
                    Ilay hazavana atoliny tsy azo ferana
                    Tsy hanam-pataperana
Ny tsy fananana dia fahavalo tsy voafefy
Tonga isan’andro handredrika ny resy
Fa ny fanantenana tsy mba mamela irery
Manampy isan’andro an’ireo izay tena very
                      

                       Napetrak’i gogoblie .18/06/2006 à 9H00