Moa ve (Zopanage)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Moa ve ny fitia eto an-tany,
Ny fitia, ny fitia,
Dia ho sembanin'ny elanelantany,
Sanatria, sanatria

Hoentiko hanaraka ahy ny fitia nomenao ahy
Fa ny foko iny izay lasanao,
Dia aza avela hangatsiaka ndrao hanenenantsika
Ny mamy sarobidy omeko anao.

Ranomaso no ateliko izao
Ho anao ilay nandao
Fa ny foko tsy ampy hahasaraka anao
Nakifikao, voakifikao

Hoentinao hatraiza moa ity fitia rehefa lò
Fa ny foko izay lasanao
Dia aza avela hangatsiaka ndrao hanenenantsika
Ny mamy sarobidy omeko anao

Lasa ianao nanadino ny tantara
Niainantsika hatrizay,
Ny hanadino sanatria dia tsy ho anjaran'
Ny fontsika tafaray

Hoentinao hatraiza moa ity fitia rehefa lò
Fa ny foko izay lasanao,
Tsy ampy intsony hanafana na handresy fitsapana
Eh mangina indrisy ny efitranonao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Zopanage
Vangy : 4407
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 01/12/2012 12:11
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8551