Tsara fatotra (Zandry Gasy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ianao lay tokana qufa nofinidiko
Malalako sady tiako
Niara-nizara tononkira.serasera.org ireo tsiambarateloko
Ny hafaliako sy ny alaheloko
Ianao lay niaritra zava-tsy finidy
Na ny mafy na mangidy
Lay mamiko indrindra o! Tanteliko
Ianao no anjeliko

Fa ny antsika roa dia fitia mandra-maty
Toa lamban'akoho e! Iray aina vmcy iray vatsy
F'efa lasanao tsy misy ady varotra
Ty foko tsara fatotra

Ny tia sy ny tiana no indro tafaray
Toy ny bararata noladinim-bahy
Fitia vita sedra mafy tsy ho voangotra
Ilay fitia tsara fatotra
Tsy ho afomololo fa ho afon-tsompitra
Ho lavitry ny mpisompatra
Ho arovako mafy e! qiljtpcz Sy ho kolokoloiko
Haninteraka ato am-poko

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Zandry Gasy
Vangy : 919
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Mbola Talenta
Daty : 14/02/2025 05:58
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0398