rivo-doza (Vetson'ikopa antoko mpihira)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
raha sendra tojo adin-tsaina, tojo ady sarotra
vao mahatsiaro azy Tompo , mitady hisarangotra
ireo hafa nantenaina toa nanjavona avokoa
ka aminao no mitaraina ,henoy ny fivavahako

indro aho ankehitriny mandohalika aminao
mahatsiaro resy ka mifona,aza afoy aho mba iantrao
tsapako fa teo aloha tsy mba nahatsiaro anao
fa variana sy nirona tami-zao tontolo izao

mba toneo ity rivo-doza fa mahery Tompo ô
fa fefiky ny rano izato sambokeliko
mba teneno ity onja mba ho tony amin'izay
na fotoana vitsy monja fa matahotra izahay

fa tsy zatra ny ady mafy ,
mihorohoro ny fanahy.
aza ilaozanao matory, mba vonjeo re izahay...

izy Tompo tsy matory, na hoe nanadino anao
aza manahy na kely akory, henony ny vavakao
hamafiso ny finoana, f'aza marefo tahak'izao
izy anie rehefa antsoina dia manoina foana anao

mba toneo ity rivo-doza fa mahery Tompo ô......

fa tsy zatra ny ady mafy, mihorohoro ny fanahy
aza ilaozanao matory, fa vonjeo re izahay
amafiso ny finoana f'aza marefo tahak'izao
f'izy anie rehefa antsoina dia manoina ..foana anao.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Vetson'ikopa antoko mpihira
Vangy : 13
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Xtella
Daty : 26/01/2026 20:17
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0198