Rehefa Lavo dia Mianara (Tvbroadcasting)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1.’Zay rehetra eto an-tanyTsisy hoe tsy lavo izany,
Resy hatrany hatrany
Fa olombelona ihany.
Ianao aloha ’zao no voa,
Nefa atrakao ny loha;
Dia mianara na tsy zaka,
Ary avelao i Jehovah hampitraka.
(FIVERENANA)
Aza kivy, mitsangàna,
Fa ny ratsy azo ialana.
Rehefa lavo dia mianara,
Ary ovao ny tantara.
Matokia, eo ilay Ray,
Ka ny ao am-po aborahy.
Ny tananao omeo,
Fa hampiany ianao avy eo,
Dia hatanjaka indray.
2.Dia tonga indray ny maraina,
Ny fonao te hitaraina.
’Reny vita rehetra ireny
Manaraka anao eny.
Io aloha tsy azo ovana,
Jehovah azo izarana.
Ny Teniny eo ka zahao,
F’hanampy anao sy hanoro hoe ’zao atao.
(FIVERENANA)
Aza kivy, mitsangàna,
Fa ny ratsy azo ialana.
Rehefa lavo dia mianara,
Ary ovao ny tantara.
Matokia, eo ilay Ray,
Ka ny ao am-po aborahy.
Ny tananao omeo,
Fa hampiany ianao avy eo.
(TETEZANA)
Tadidio fa ilay Rainao
Lehibe noho ny fonao.
Dia tena tiany ianao raha miova
amin’izao
Ho olom-baovao.
(FIVERENANA)
Aza kivy, mitsangàna,
Fa ny ratsy azo ialana.
Rehefa lavo dia mianara,
Ary ovao ny tantara.
Matokia, eo ilay Ray,
Ka ny ao am-po aborahy.
Ny tananao omeo,
Fa hampiany ianao avy eo.
Dia hatanjaka indray.
Olom-baovao amin’izay!
(Martsa 2023)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : TvbroadcastingVangy : 126
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : raniNi1
Daty : 25/04/2024 17:37