Ny teninao tsy ho foana (Tvbroadcasting)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nampiseho ny finoany ‘reo tia Anao tao am-pony.
Ka voatahiry hatrizao ilay Boky iray avy Aminao.
Izy ireo no nandika,nasainao niaro,nampita.
Ka ‘zay voalaza fahiny mbola azo ampiharina ankehitriny.
Nasehon’ny tantara: faly izy ireo nandray anjara
Ka nokaliany sady nokajiany ireo teny tianao hambara.
  Ref:    Ny Teninao tsy ho foana na hifandimby aza ny taona.
            Io no aina ho anay hanome hery indray,
            ka hitarika ahy mandrakizay.

ôôh, Nandalo fisedrana maro, io Boky io fa voaaro.
kanefa hitoetra ny teny rehetra, tsy ho resin’ny fahavalo.
Na teo ireo nitady handrara dia nisy ihany tia ny tsara.
Satria noho ny finoany dia ny ainy no nafoiny:
Dia ‘zao ny Baiboly voazara.
    Ref:  Satria ny Teninao tsy ho foana na hifandimby aza ny taona.
             Io no aina ho anay hanome hery indray,
             ka hitarika ahy mandrakizay

Ilay anaranao hoe ”Jehovah”,hoderaina ihany koa
satria tsisy ho voafafa na dia teny iray aza
fa tsy maintsy ho to avokoa.
    Ref:  Fa ny Teninao tsy ho foana na hifandimby aza ny taona.
            Io no aina ho anay hanome hery indray,
            ka hitarika ahy mandrakizay.(mandrakizay)
  
                  JWBroadcasting January2017
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0788