Hira iray hisaorana an’ilay Mpamorona (Tvbroadcasting)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Rivotra mitsoka mora avy any ho any.
Iny ilay masoandro ,hizara ny hafanany
Manopy manja izay loko hiantefany.
Na tsotra aza tsara, hhqu Kanto anie ‘zany
Nahoana aho moa nomenao izao?
Tsy mendrika aloha fa te hisaotra anao.
        
Ref : Jehovah o! misaotra a..
        Fa izay nataonao,tsara loatra a…
        Dia fitiavana izao.Tiako holazaina,
        Tiako hiraina fa mamy ny  miaina
        noho Ianao sy ireo zava-kanto avy aminao.
        Misaotra Anao aho….   Misaotra Anao aho …ooo

Io ranomasina io mbola fahagagana.
Feno loko, feno aina, sy feno hatsarana.
‘lay somambisamby nataonao hoso-doko
Ny kintana aza mahababo ny foko
Inona moa no havaliko izao?
‘ty hiran’ny fo no atolotro anao.

Ref : Jehovah o! misaotra a..
        Fa izay nataonao,tsara loatra a…
        Dia fitiavana tononkira.serasera.org izao.Tiako holazaina,
        Tiako hiraina fa mamy ny  miaina
      cdbeaf   noho Ianao sy ireo zava-kanto avy aminao.
        Misaotra Anao aho….   Misaotra Anao aho …ooo

Ny fahendrenao sy herinao,
hasehon’izao rehetra izao
tia anay Ianao.
Misaotra Anao aho….
Misaotra Anao aho …ooo
      
Ref : Jehovah o! misaotra a..
        Fa izay nataonao,tsara loatra a..
        Dia fitiavana izao.Tiako holazaina,
        Tiako hiraina fa mamy ny  miaina
        noho Ianao sy ireo zava-kanto avy aminao.
        Misaotra Anao aho….  Misaotra Anao aho …
        Hisaotra Anao foana aho….oooo.
    lvhk                      
  JWBroadcasting August 2019

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 1.7203