Ianao izay mandre (SAMIFI FJKM AMBODIFASINA PENIELA FITAHIANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. ianao izay mandre izao hira izao
tsarovy fa mbola fitiavany anao
no anton'izao andro izay hahavelomanao
mahatonga anao handray fianam-pifaliana

sao ianao mihevitra fa
noho ny herinao
sao mieritreritra fa
noho ny fahaizanao
ny anton'ny fiainanao ety an-tany fa
famindram-po sy fiantrany anao

2. ianao izay mandre izao hira izao
efa nandray an'i Jesoa ho tomponao
tarovy fa ilay satana fahavalonao
mitady izay hanimbana sy handravana

sao ianao mihevitra fa
ny herinao
sao mieritreritra fa
izao hitanao izao
hitondra fifaliana
hameno ny andronao
fa hitondra fahoriana
sento lava izao

sao ianao mihevitra fa
noho ny herinao...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0758