Rahalahy (Ndriana Ramamonjy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Maro ireo noheverina ho harena
Hoe natao hahafaly ny fo
Vatosoa sy ny volamena
Vola sy ireo hafa koa
Nefa asa lahy raha marina izany
Sao kosa re mampanahy
Raha ny hareko dia tokana ihany
Ny fananako rahalahy

Taloha 'zahay raha nifanakalo
Fitafiana dia niady foana
Nefa niady tsy nifahavalo
Fa avy eo dia miombona foana
Fa na dia nisy aza izany
Teo amin'ny fiainanay
Aminay dia tokana ihany
Tsy nifankafoy izahay

Taty aoriana nambara aminay
Zany atao hoe lalam-pamojena
Dia nino izany izahay
Tamin'ny fo no nanekena
Izany fanavotana izany
Izay niasa tao am-ponay tao
Nefa ts' hoe voavonjy ihany
Fa nahazo rahalahy vaovao

Rahalahy maro miara-mizaka
Izay manjo ny anankiray
Raha misy lavo mahay mampitraka
Mamerina amin'ny lalan-tsara indray
Iray Tompo, iray Mpanjaka
Dia Jeso 'zay namonjy anay
Fifankatiavana miorim-paka
Amin'ny fanahy iray

Rahalahy maro miara-mizaka ...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ndriana Ramamonjy
Vangy : 5287
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Randys102
Daty : 12/01/2015 08:37
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.088