Tablier Manga (Lolo sy ny tariny)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fony ianao zazavavy tsotra
Nitondra kitapo
Nanao tablier(bis)

Iny ianao fa namonjy lera
Tsy nitaveravera
Fa sao tezitra i Mera (bis)

Saika diso hendry
Tsy nilalao afa tsy
Ireny saribakoly ireny

Nefa ny saribakoly
Tsy mamaly fitia (bis)

Tonga ary aho,tonga aho hitantara
Ilay hatsaran’
Ny raozy vao maraina(bis)

Nampianariko anao
Koa ny nankafy, iry lanitra iry
Rehefa maty ny masoandro (bis)

Nony tonga ny hariva
Ianao nanisa kintana
Izaho nibanjina ny tany

Izaho somary miala
Ianao miantso hoe avia (bis)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Lolo sy ny tariny
Vangy : 9346
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 09/02/2002 21:02
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0112