Zakaranda (Lolo sy ny tariny)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hafahafa ho’aho ny tontolon’izy iny
Zakaranda nipoapoaka
Fonfon-tany mando koa mba tiany
Rehefa volana Oktobra
Orana mitendry ny fanitso
Izay no hira tiany indrindra
Ilay masoandro mody hamonjy ampitso
No sinemany takariva

       Izy tsy nanao kahie de sovenira
       Ilay alefa mandehandeha
       Tsy nanangona sarina mpihira
       Ho atao peta-drindrina
             Nampatahotra azy ny bal amin’ny alina
            bhxjjkqo  Tabataba matimaty jiro
             Nampanofy ratsy, nofinofy adala
             Na maraina aza tsy adino

Rojo volafotsy tefin-karana
Tazako eny an-tratrany
Io no nanome ahy hazavana
Nanoro ny anarany

Lasa bitsibitsiko isan’andro
Rehefa izay mba mifanena
Lasa hirahirako atoandro
Nofiko hadiva haraina

                 Ka nitoetra teo ny fitiavako iny
        tononkira.serasera.org          Tsy mba nisy resa-be
                 Arahaba iray, tsikiny midify
                 Samy lasa nandeha
       Samy mba nanohy ny eritreriny any
       Ny azy anie tsy fantatro
  dhvh      Fa ny ahy niova hira ihany
       Asa izay na tsapany
Hafahafa olwxcd ho’aho ny tontolon’izy iny
Zakaranda nipoapoaka
Fonfon-tany mando lasa tiako
Rehefa volana Oktobra

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0891