Ianao mitady (Lolo sy ny tariny)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ianao mitady olona tena mafibe
hiantoka anao amin’ny mafy
Hay Ianao mitady olona tena kalabe
Hiantoka sy hampitafy
Hay Ianao mitady olona feno fandeferana
Ahazahoana mampirafy
Hay ianao mitady olona tena mafibe
Hanaraka anao amin’ny gafy

Taty, taty, taty ianao no nitonantonana
F’izaho, f’izaho, Izaho namaly moramora hoe:
Any lavidavidavitr’any indray mba mitady
Any angamba misy
Ts’izaho velively izany bandy izany
Tsy izaho velively ny olona mazana ahavita izany

F’izaho bandy kely tsy ampy sakafo
Tsy ampy sokay
Izaho tsy mba nanana zavatra lafo
Hatramin’izay
Naleoko tsy nanana olo-nitia
Toy izay hanan-dratsy
Izaho bandy kely, kelikely sandry
Tsy mba nigafigafy

Tany, tany, tany aho no nitonantonana
F’ianao, ianao, ianao nandroaka moramora ka
Any lavidavitra any aho mba hitady
any angamba misy
Tsy indry velively izany kala izany
Tsy indry velively no olona hiharitra anay amin’izany

LOLO Sy Ny Tariny
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Lolo sy ny tariny
Vangy : 12756
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 07/11/2001 05:11
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0119