Lolo sy ny tariny

Nampiditra rigo
17/08/2004 17:40
Hiran'i Lolo sy ny tariny 85 Jereo eto
Vangy : 26970
Mpankafy : 3 Ankafizo
Ny kely azo hambara angamba dia ny fisaorana ny Lolo sy ny tariny amin'izay vitany rehetra.
Tsy nankalaza tena ianareo ary tsy nanao "marketing" nefa ny kaozy napetrakareo tsy lefin'ny taona.Tsy mila dokam-barotra betsaka ianareo nefa fahombiazana hatrany ny fampisehona ataonareo."CD" iray sy "k7" iray no novokarinareo nefa ny hiranareo tsy afaka am-bavan'ny maro.Kobonareo ilay fanala hidy hoe ny lamaody sy ny "vogue" mandalo fotsiny fa ny hafatra no mipetraka.

Hevitra momba an'i Lolo sy ny tariny

Heriniaina (21/10/2001 17:45)
Azo lazaina hoe isan'ny Tsangambaton'ny zavakanto Malagasy ny LOLO SY NY TARINY(hafohezintsika ho LSNT).Alohan'ny hanohizana ny resaka angamba dia tsaratsara kokoa ny mampahafantatra hoe iza avy izy ireo.
Nisy 10 mianadahy ny LSNT ka ireto avy izany:
-RAKOTOMANGA Angelo(Lolo),mpihira sy mpitendry Gitara sady lehiben'ny tarika.
-RAKOTOMANGA Mathurin Hubert(Bebey),mpihira saingy mitendry Gitara indraindray.
-RAKOTOMANGA Roland(Goda),mpikapoka Percussion ary mpilalao korintsana.Izy moa tato ho ato dia tsy dia hita tao amin'ny tarika intsony.
-RAKOTOMANGA Dina(lava),mpitendry Lokanga beso sy aponga maro anaka(batterie).
-RAFILIPOMANANA Erick Harisolofo(Erick MANANA),mpihira sy mpitendry Gitara.
-RABENIRAINY François(Benny),mpihira,mpitendry Gitara sy Clavier.
-RABENIRAINY Samuelson(Sammy),mpihira sy mpandidy lokanga.
-RAKOTOMALALA Andriamampianina(Passy),mpihira sy mpitendry valiha.
-RABETSARAZAKA Claude(Raplay),mpitendry Gitara beso.
-RANAIVO Hanitriniaina(Hanitra),mpihira,mitendry Gitara ary milalao Percussion.Araka ny resaka mandeha dia efa niala LSNT izy.
Marihina fa i Lolo,Bebey,Gôda ary Dina dia mpirahalahy.Toa izany koa i Benny sy Sammy.
Ara-tantara dia tamin'ny 1975 dia efa niaraka nihirahira teny i Lolo sy Bebey ary Erick.Tamin'io taona io koa no nanomboka namoronkira i Lolo (Lamasinina) saingy tamin'ny 1977 vao tena hoe matotra ny LSNT.
1977 koa no nanaovan'izy ireo fampisehona voalohany tao Antsahamanitra.Tsy dia nahazo olona anefa ry LSNT tamin'izany satria zara raha nisy...350 fmg ny tombombarotra azo.Nividianana limonady sy pain lasary dia lany hoy izy ireo.
Enim-bolana taty ahoriana anefa dia nisy fampisehona tao amin'ny Cinema KANTO(c.c esca),tomefy olona ilay fampisehona ary ny LSNT aza tsy nanampo hoe handeha hijery azy ireo olona be dia be nifanena taminy ho any Antanimena.
Nanomboka teo dia nisokatra amin'izay ny làlana.Nasain'i Tsilavina RALAINDIMBY tamin'ilay fandaharana "Vazonao levaly",fampisehona matetitetika tao amin'ny Kanto,Cinema Soa,Gallieni,Antsahamanitra,...,saingy azo lazaina hoe ny Cinema Kanto no Zaridainan'ny LSNT.
Tamin'ny 1979 dia nihira nandritra ny herinandro niaraka tamin'i Graeme ALLWRIGHT tao amin'ny C.C.A.C ry LSNT.Io no tena azo lazaina hoe "reconnaissance" ho azy ireo.Dia nanomboka amin'izay ny fitetezam-paritany Mahajanga,Toamasina,Fianarantsoa,...).
Ny faran'ny taona 1980 sy fiandohan'ny taona 1981 dia nasain'i Graeme ALLWRIGHT ho any andafy ny LSNT.Tamin'izay no nanatontosana ilay Kapila 33tour mitondra ny lohateny hoe "MANINONA".Tamin'izay koa no niarahany nihira tamin'i Graeme ALLWRIGHT tao amin'ny Palais des Glaces tamin'ny 12
Janvier 1981.
1982,tapa-kevitra ny hiorim-ponenana any andafy amin'izay ny LSNT.Fahadisoam-panantenana lalina no nahazo ny mpankafy teto antanindrazana satria nahatsiaro fahabangana lehibe.Tsy niverina teto Mcar intsony mantsy ry zareo raha tsy ny taona 1994.Tamin'io taona io no niarahany nihira
tamin'ny tarika Mahaleo tao Mahamasina ny Sabotsy 27 Août 1994.Tsarontsika tsara angamba iny MEGA CONCERT iny satria tsy nisy toa azy teo alohany na tato ahorianany.Iny no azo lazaina ho Woodstock ny Malagasy.
Tamin'ny 10 sy 11 Août 2000 indray ny LSNT vao nihira teto Mcar tao amin'ny Palais de Sport.
Ny tena nampisongadina sy nampihavaka ity tarika ity moa dia ny famoronany hira,indrindra fa ny tonony.Afa tokoa ny fanaovan'ny LSNT ny tononkirany satria tena hainy ny mitantara zavatra.Zavatra hiainanao andavanandro no
tantarainy aminao nefa tsy takatrao hoe kay ohatran'izany ny fomba fitantara azy.Izy no nahita ilay fomba hitenenana azy na dia niaraha-nahita aza ilay zavatra.
Misy ihany anefa ny sorena amin'ny fomba fitenin'ny LSNT satria tsy matotra hono no sady mivantambantana.Ary indraindray miteny ratsy mihintsy.Ilay hira
hoe "Dimbaka avy any Nazareta" moa dia nitarika resa-be mihintsy tamin'izany.Rehefa nanontanina i Lolo dia hoy izy hoe"tsy blasphème iny fa ny fahitako an'i Jesosy tamin'izaho mbola boay kely no navoakako".Momban'ny
"argot" indray dia tsotra ny fanazavany:Ny tanora no hiantefan'ny hafatray ka noho izany tsy maintsy miteny ny teniny izahay mba hifankahazon'ny resaka.
Nanana tanjona hitaiza ny olona koa ry LSNT ka izany no nahatonga ny tononkirany ho nivelatra tamin'ny lafimpiainana maro.Noresahiny daholo na ny Politika(Zimbo,Amin'ny anaran'ny tolona,Kôpaniako,...),na ny Sosialy(bo e!,Marie katisoa,hono ho aho,...),ny tantara(Mpanjaka
Antandroy,Benoro,...)ary koa ny fitiavana(Maninona,tablier manga,...).
Tamin'izany fotoana moa dia navaivay ny resaka fitovian-tsaranga sy ny fanjakan'ny madinika.Ry LSNT kosa na dia nihaino ny feon'ny mafy ady aza dia nitaiza ny olona hatrany.Nitaiza ny olona izy ireo hijery ny zava-misy fa
tsy hanonofinofy fotsiny.Ny olana rehetra teo amin'ny fiarahamonina tsy nisy tsy navoakany ankira. Ny fahantrana,ny tsy filaminana,ny tsy fahamarinana,ny
ditra,ny olana ara-pitiavana,ara-pitaizana,... Zavatra izay niainana andavanandro nefa modina tsy nojerena satria samy tsy misy tia ho tompon'andraikitra.Atsipinay ny hafatra hoy izy ireo dia hiaraha-mitady ny vahaolana satria olona 10 mianadahy tsy mahaova ny tany."Realiste" hatrany ry LSNT tamin'izay zavatra nataony.
Na ny hiram-pitiavany aza dia tsy mba nanao ilay antsoin'ny vazaha hoe "chanson eau de rose" izy fa ny zava-miseho ao anaty fitiavana no nasongadiny.Ny fitaka(Mpivahiny,Ravin-javoka,...),ny fahaverezan-kevitra(làlana mankaiza,omeo kafe,maninona,...), ny tsindrin-tsaranga ao anaty fitiavana(Any lavidavitra any,tady vita fato-maty,kely tsy mba niteny,...) sy ny maro hafa koa.Izany anefa tsy
nidika hoe tsy nanana ny toerany ny Fo tao amin'ny hiran'ny
LSNT(Zakaranda,Tablier manga,Rongony,Modia,...).Misentimaka ry LSNT fa tsy adinony ny hoe hatraiza ny fetran'ny nofinofy?
Dia izay angamba ny kely mba azo lazaina momba azy ireo.Ny antenaina dia ny mba hiverenan'ny LSNT mihira matetika satria mbola be ny hafatra tokony mbola hampitainy.Mbola be ny mangetaheta nefa ny Robinet toa efa efa nihidy.

Hiran'i Lolo sy ny tariny (85)

© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4511