Bômbô gasy (Lolo sy ny tariny)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
BÔMBÔ GASYTsy tany amparihin’Itasy aho omaly
Tsy nahita ilay voninkazo ti(a)nao
Ka indro nitondra ireo bômbô gasy
Any mamy homeko anao
Tsy tany amparihin’Itasy aho omaly
Tsy nahita ilay voninkazo ti(a)nao
Ka indro nitondra ireo bômbô gasy
Any mamy homeko anao
Bômbô mantsy
Misy loko maro
Ho entinao ma(ha)tsiaro ireo zava-maro nataonao taloha
Bômbô mantsy
Mba vonikazo koa
Ariary tokony ahazoako sigara
Aleoko niafy tsy nifoka akory
Naleoko nividy ireo bômbô gasy
Porofom-pitiavako anao
Ariary tokony ahazoako sigara
Aleoko niafy tsy nifoka akory
Naleoko nividy ireo bômbô gasy
Porofom-pitiavako anao
Bômbô mantsy
Maharitra am-bava
Mora mampisava ny ngidin’ny fiainana efa mankalao
Bômbô mantsy
No solon-tsigara
Sendra an-dry zalahy aho voatery nitsoaka
Androany mivoady tsy hisotro toaka
Naleoko nitondra ireo bômbô gasy
Eo anilanao aho miafy
Sendra an-dry zalahy aho voatery nitsoaka
Androany mivoady tsy hisotro toaka
Naleoko nitondra ireo bômbô gasy
Eo anilanao aho miafy
Bômbô mantsy
Zaraina aminao
Toa tsy mankalao fa mamy daholo izao tontolo izao
Bômbô mantsy
Mba paradisa koa
Fa maika ny hamonjy ny anilanao
Ka indro solafaka ity havanao
Ireo nianjera ireo bômbô gasy
Tomany aho nagasihasy
Fa maika ny hamonjy ny anilanao
Ka indro solafaka ity havanao
Ireo nianjera ireo bômbô gasy
Tomany aho nagasihasy
Bômbô mantsy
Raha sendra ka very
Tsy maha te hijery ireo masonao efa nanantena
Bômbô mantsy
Ka fahoriana koa
Tsy tany amparihin’Itasy aho omaly
Tsy nahita ilay voninkazo ti(a)nao
Ka indro nitondra ireo bômbô gasy
Any mamy homeko anao
LÔLÔ sy ny Tariny
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Lolo sy ny tarinyVangy : 14205
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : Grity
Daty : 30/10/2001 12:10