Efa atomotra (KTLM Tsanta Fitoriana Ambohimena)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa atomotra ny andro izay voalaza fa
hanangonana ireo voa izay nafafy
hanangonana ny tsara ho ao antsompitra
sy ny ratsy izay ho dorana

  Ka ho diboka hafaliana Andriamanitra Tsitoha
   raha mandinika fa indro feno hipoka tokoa
   ilay sompitra nomaniny ho an'ireo malala
   izay sitraky ny fony ho any an-danitra

Enga anie ka tsy hitsapa tany foana
Andriamanitra Ray sy Zanaka, Fanahy
ka hitondra tanampolo ho any an-danitra
rehefa tonga ny andro farany

  Ka ho diboka hafaliana Andriamanitra Tsitoha
  raha mibanjina ny vala feno hipoka tokoa
  ka hatsotrany ny tanany ho an'ireo malala
  izay sitraky ny fony ho any andanitra

Indro tazako Jerosalema vaovao
lay tanana soa izay nomanin'i Jesosy
lay tanana volamena misy lovasoa
dia lay seza fiandrianana

  Io no lova sarobidy sady tsy mba mety lo
  tsy mba manampahavalo toy ny lova ety an-tany
  fifaliana, fihobiana tsy misy fitsaharana
  fandriampahalemana any an-danitra
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0773