Vonjeo fa tia (Kiaka)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1)Ianao mihintsy anie no resahiko
Aza mbola mandeha fa misy hambarako
Ny ao anatiko ao toa tsy zakako
Rehefa mahita anao mila hiantsampy fa tsy tantiko

Ny foko tsy milamina
Rehefa ianao no eo akaikiko eo
Ianao tsy mety mijanona
Nefa ianao ihany no iantsoako vonjeo


2) Zay rehetra ataonao ahy dia tsapako
Fa tsy misy mampanahy efa fantatro
Zany no ifikirako aminao mijery ny tsara hatrany
Mahafantatra ny tokony hatao, tsy mba manao zay mampitomany

Tsy vitan' ny hoe mifankatia ravoravo fatratra
Mifampitantana miaradia, mifanoroka sambatra
Ny fitempon' ny fo, midobodoboka mafy ery
Satria ianao anilako vonjeo fa tena tia
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Kiaka
Vangy : 1198
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : lucianahrandriam
Daty : 01/08/2019 21:31
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0235