Fahavalo resy (FEOMAFI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1)Satria Jeso no mitantana anay
Mivoka mpandresy izahay , amin'ny ady ifanaovanay sy ilay ratsy hatrizay
Novidin'i Jeso tamin'ny ràny teo amin'ny hazo fijaliana
Efa Azy izao ny fahefana ka lasa lasa miala satana!

Ref: Amin'ny anaran'i Jeso Kristy
Ry ilay satana zory ny dia
Fahavalo resy ianareo mandehana
miala satana! miala satana! miala miala  satana!

2)An-taona maro re no nanjakana
Nampididoza fahotana
Olo-marobe no indray voatana
Nobaboin'ilay satana
Soa fa tonga Ianao ry Jeso, nanavotra ny olonao, noho i Jeso no ilazana fa lasa lasa miala satana !

Ref: Amin'ny anaran'i Jeso Kristy
Ry ilay satana zory ny dia
Fahavalo resy ianareo mandehana
miala satana! miala satana! miala miala  satana!


3) Ry miasa fatratra miasa mafy
Sahirana ory mijaly
Avia manatona an'i Jeso hovonjeny havako o!
fa Izao anome fitsaharana hoy i Jeso re ry namana , tonga izao ny fahazavana ka lasa lasa miala satana!

Ref: Amin'ny anaran'i Jeso Kristy
Ry ilay satana zory ny dia
Fahavalo resy ianareo mandehana
miala satana! miala satana! miala miala  satana!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : FEOMAFI
Vangy : 1250
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : FEOMAFI
Daty : 10/11/2018 21:34
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5674