Miorena (FANANTENANA ANTSA-FI)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Miorena1.Tamin'ny andro nahabado, ara-pinoana:
Sasatra nivilivily, toa haizina mikitroka...
Niezaka namikotra, kay hazoboboka
Nivarina tery, naratra avy hatrany,
Teo vao tonga saina
Voasoratr'Ilay Ray,
Fa ankohonany izahay
N'iza hiseo... ho manan-kery
Jesosy no fiainanay (koa indro asandratray)
Indro asandratray, Lay feo fiderana
Fa Izy nonaha-toy izao, naha-toy izao anay.
Vonona hanaradia, an'IlayJesosy tia,
Izy no naniraka ahy, araka ny hafany
Miorena,aza miova!
Ataovy mpianatro izao
Ny firenena rehetra (X2)
2.Mazava izao ny andro, Jesosy no efa tonga
Tsy ny filazantsara irery, no atolony ho anao
Fa eo ny tenany, lasa mofo velona,
hiainantsika, mandrakizay
Aza misalasala (koa indro asandratray)
Indro asandratray, lay feo fiderana
Fa Izy nonaha-toy izao, naha-toy izao anay.
Vonona hanaradia, an'IlayJesosy tia,
Izy no naniraka ahy, araka ny hafany
Miorena,aza miova!
Ataovy mpianatro izao
Ny firenena rehetra (X2)
A C. RAKOTOMALALA Clément
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : FANANTENANA ANTSA-FIVisites : 238
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Touknambs
Date : 01/02/2025 10:28
