Fitsapana (FANANTENANA ANTSA-FI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fitsapana

1. Nivadika ny ora sy fotoana
Dia lasa taona maro nifanesy
Nanompo foana isika
Ireo fitsapana maro izay nandalo
Izay tsy maintsy hatrehina avokoa
Hoe aiza ihany no fiafarany

Ny hain'andro be namaky loha sola
Ny rivotra sy kotrobaratra
Nifanesy toa nampijaly
Impiry vaky sambo
Impiry koa tomany
Hay ve misy sedra ny fanompoana
F'Izy Tompo no nilaza
Fa izay manaraka Ahy
Tsy maintsy sedraina amin'ny finonana

Ref:
Tiako,tiako Ianao Tompo ô!
Ampiorina ny finoanay
Tianay, sady fanirianay koa
Ny handova Lanitra dieny ety an-tany (x2)

2. Ho anao indrindra ity hira ity
Hampandresy anao sy hampifaly
Amin'ny ady mafy hatrehinao
Na impiry impiry ianao tomany
Ny ranomaso foana no mijoy
Dia tsarovy fa eo foana Izy

Mampitraka izay mitanondrika
Manohana izay efa lavo koa
ou, ou, ou, ou ... na resy an'ady
Manasitrana ny fery, mitsabo koa ny ratra
Mampatanjaka izay efa trotraka
Tsy mandinik'eloka Izy, tsy manisa fahotana
Fa mamindra fo, sy mihantra

Ref:
Tiako, tiako Ianao Tompo ô!
Ampiorina ny finoanay
Tianay, sady fanirianay koa
Ny handova Lanitra dieny ety an-tany (x2)

Fantatro fa antso masina
Avy tamin'ny Jehovah
Izao fanompoana izao
Ka izany no hilazana hoe ou, ou ...


Ref: ...

Satry foana anie ny hanompo Anao
Satry foana anie ny ho eo akaikinao Satry foana anie ...



A C. RAKOTOMALALA Clément & Zoky Mbinina
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : FANANTENANA ANTSA-FI
Visites : 300
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : Touknambs
Date : 05/03/2025 09:31
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0866