Fanantenana (Emit Mikalo Fiderana(EMIFI))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
                  FANANTENANA

      Fanantenana injao mitsiry ao am-po
      Manentana ny fanahiko
      Fanantenako ianao, ianao Jesoa
      Mamelona ny finoako

1. Mila ho kivy izahay ry Ray
Ketraka ihany, indraindray
Soa fa ianao tsy mba manary anay
Eo amin’ny fiainanay


2. Indraindray ry Ray miaiky izahay
F’ianao irery no mpiaro anay
Nefa tsy matoky tena izahay
Manantena anao ny fonay



Fanantenana…. Fanantenana..
Manentana ny fanahiko
Fanantenana… Fanantenana…
Mamelona ny finoako



Fanantenana izao mitsiry ao am-po
Manentana ny fanahiko
Fanantenako ianao, ianao Jesoa
Mamelona ny finoako
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Emit Mikalo Fiderana(EMIFI)
Vangy : 436
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : fenosambatraelyse
Daty : 24/05/2022 23:43
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0843