Indro tsinjoko (Dadah Rabel)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa tsinjoko any ho any
Tonga ilay fiafarany
Fa tsy nisy zava-mamy
Natao haharitra hatrany

Nony tonga atobcdv ianao nilaza
Hoe tojo ilay sahaza
Izaho nanaiky sy nanaja
Na dia mafy tamiko aza

Satria ianao no tompon-tsafidy
Ny fonao, any aminao ny fanalahidy
Fa sendra vato ianao raha nitady toko
Izaho tsy hifokofoko
Na mribqu sanatria hioko
Amboariko ny foko

Ny irariako androany
Ianao ho faly hatrany
Ka ho tonga lafatra
Ny fonareo mitambatra

Eny mitso-drano
Fiainanao io ka tantano
Ataovy feno hamamiana
F'efa akaikin'ny olon-tiana

Fa ny antsika tsisy ahviay dina nifanapahana
Fitia tsy an-tery fa feno fahafahana
Koa mandehana, aza mitodika any aoriana
Ny lasa aoka ariana, ny ho avy fitsikiana
Mahazoa izay irina



Tonony sy feony : tononkira.serasera.org Andrianabela Rakotobe

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Dadah Rabel
Vangy : 3352
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 16/02/2018 13:53
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0383