Indro tsinjoko (Dadah Rabel)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa tsinjoko any ho any
Tonga ilay fiafarany
Fa tsy nisy zava-mamy
Natao haharitra hatrany

Nony tonga ianao nilaza
Hoe tojo ilay sahaza
Izaho nanaiky sy nanaja
Na dia mafy tamiko aza

Satria ianao no tompon-tsafidy
Ny fonao, any aminao ny fanalahidy
Fa sendra vato ianao raha nitady toko
Izaho tsy hifokofoko
Na sanatria hioko
Amboariko ny foko

Ny irariako androany
Ianao ho faly hatrany
Ka ho tonga lafatra
Ny fonareo mitambatra

Eny mitso-drano
Fiainanao io ka tantano
Ataovy feno hamamiana
F'efa akaikin'ny olon-tiana

Fa ny antsika tsisy dina nifanapahana
Fitia tsy an-tery fa feno fahafahana
Koa mandehana, aza mitodika any aoriana
Ny lasa aoka ariana, ny ho avy fitsikiana
Mahazoa izay irina



Tonony sy feony : Andrianabela Rakotobe
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Dadah Rabel
Hits : 2393
Likes : 0 Like
Created by : ikalamako
Date : 16/02/2018 13:53
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0745