FONY ISIKA (Dadah Rabel)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fony isika vao niara-niainga
Nifanome toky fa tsy hifandainga
Ka na lava ny dia na ho fohy
Hiray lakana, hiray fivohy

Kanjo noho ny mba sendra tafihotra
Dia rendrika tsy afa-mihoitra

Hay ve fitia rary fotaka?
Tsy natao hateza fa hiotsaka
Tsy aharitra ny orana mirotsaka.
Fa nadio ve ny rano nitana?
Nahazo morony ianao dia lasàna tsy tana
Sa voasedra ireo mafy niharitra?
Dia lasàna ianao satria tsy naratra

Sendra nianjera ianao no niantso vonjeo
Noho ny tafariko dia lasa toa tsy teo

Hay fitia mody midoroboka
Fa ny fakany efa zary boboka
Ts'hita aretina raha tsy efa nidoboka

Ny hanim-pitoloha noho ny lasy iray lovia
No mba any vatsy koa noho ny zary nanify
Ny tafo koa no ny tsy naharo tamin'ny orana
Ny rovi-dambako toa ny tsy ampy nisalorana

Dia lasa ianao nirintona moramora
Sady nandatsa no mbola nanakora
Hoe ny ory anie tsy havan'ny manana
Paosy feno anie no asiana tanana
Fa tsy ianao kay, no tena fiadanana
--------
Rohy:
Hevitra
danada ( 21/10/2015 16:20)
"sendra nianjera ianao ka niantso vonjeo" fa tsy hoe "sendran'ny anjely......"
danada ( 21/10/2015 16:21)
azafady raha nanitsy kely, raha sendra diso dia avereno amiko
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Dadah Rabel
Vangy : 25279
Mpankafy : 3 Ankafizo
Nampiditra : tsingory
Daty : 26/11/2013 12:33
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2268