Tsara tso-drano (Dadah Rabel)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
’Zahay mivady toa sondrian-tory,
Mihevitra anao tononkira.serasera.org ho ankizy foana,
Nony nihiratra taitra tsy hitahita akory,
Hay moa ianao tonga taona,

Hay moa tokoa ianao hary elatra,
Te hanana zo, te handeha, te hivelatra,
Vita ny adidin’i Dada sy zlwlfdgn Neny,
Efa voninkazo ’lay voa novoleny,

Handeha, tsara tso-drano,
Tsy ho azon-tsampona, tsy hidiran’angano,
Handeha, soava-tsarà,
’Zay vao tena lehilahy,

Be ny tafahoatra, be koa ny tsy ampy,
Na ny anatra na tambitamby,
Be ny sakantsakana, be ny fandraràna,
Toa hoe tara toetr’andro izahay mazàna,

Nefa izay moa no zeoxqfcz mba heverinay ho tsara,
Satria ny tianay ho tsara dimby sy fara,
Aza tsiny mety tsy ho tsara daholo,
Ny mba faniriana nahay nitaiza sy nikolo,

Handeha, ny any aloha no banjino,
Ny fahendrena no vatsy aza hadino,
Handeha, mahità ny mamy,
Mba ho lavitra tomany,

Lasa nandeha ka rjbtodym hisidina irery,
Efa lehibe tsisy handidy, tsisy hanery,
Handimby ireo zoky, hiantsorok’adidy,
Ny mba faniriana tsy ho ratsy safidy,

Handeha, mahaleova,
F'ianao no dimby ianao no handova,
Handeha, ny anarantsika,
Aza avela ho entin-driaka.


DADAH

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0108