Ndao (Antsan'ny Serafima Tangaina)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. ´Ndao e hiara-dalanaHitoby hanandram-bavaka.
ˋNdao e Tsisy an-kanavaka
Ianao namako, izaho namanao.
Avia, raiso ny tanako
Mitsikia ianao rahavako
Fiadanana no miandry antsika
Avy amin’ilay Andriamanitra.
Fihavanana
Fifankatiavana
Hanjaka amin’ny fiainantsika.
Fifaliana sy
Firaisankina
Fiaraha-monina lavorary e.
2. Andao e tsy mihafahafa
Iray isika tsy misy hafa
Jesoa no mampiray antsika
Ilay Andriamanitra velona.
Izaho sy ianao hifampitantana
Hamonjy ilay toera-masina
Ho tanteraka ny antsika izao
No Tonga lanitra vaovao.
Fiangonana
Fiombonana
Fiadanana no ao amintsika e.
Jesoa Kristy
Eokaristia
Manambara fa iray isika e.
A/C : RABEMANANTSOA Njato Ny Aina
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Antsan'ny Serafima TangainaVisites : 14
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Tefy606
Date : 12/06/2026 14:53
