Ndao (Antsan'ny Serafima Tangaina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. ´Ndao e hiara-dalana
Hitoby hanandram-bavaka.
ˋNdao e Tsisy an-kanavaka
Ianao namako, izaho namanao.

Avia, raiso ny tanako
Mitsikia ianao rahavako
Fiadanana no miandry antsika
Avy amin’ilay Andriamanitra.

  Fihavanana
  Fifankatiavana
  Hanjaka amin’ny fiainantsika.

  Fifaliana sy
  Firaisankina
  Fiaraha-monina lavorary e.

2. Andao e tsy mihafahafa
Iray isika tsy misy hafa
Jesoa no mampiray antsika
Ilay Andriamanitra velona.

Izaho sy ianao hifampitantana
Hamonjy ilay toera-masina
Ho tanteraka ny antsika izao
No Tonga lanitra vaovao.

Fiangonana
Fiombonana
Fiadanana no ao amintsika e.

Jesoa Kristy
Eokaristia
Manambara fa iray isika e.

A/C : RABEMANANTSOA Njato Ny Aina
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Antsan'ny Serafima Tangaina
Hits : 13
Likes : 0 Like
Created by : Tefy606
Date : 12/06/2026 14:53
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0799