Manolo-tena (Antsafi)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Feno toky ny fanahiko
Ka ny hijoro dia ho sahiko
N’inona n’inona ho sedraina
Eny hafoiko hatramin’ny aina
N’aiza n’aiza no aleha
N’inona n’inona no atao
Dia Jesosy no rehareha
Velona ao anatiko ao

Ambarako androany
Eto anatrehany
Tena vonona aho ny ho mpanompony
Resy lahatra aho, babo manontolo
Ny haratsiana hatrizay
Ilaozako daholo
Efa nantsoiny dia hanetry tena
Hibebaka aho ka hanolo-tena
Ka raisonao ry Tompo raha sitrakao ooh
Ho mpianatrao, hiray latabatra Aminao

Ho tanora tena soa
Madio tokoa hatrany am-po
Ka hitana ny fahamarinana
Sy ho tia filaminana
Mino fa hisandratra
Ho velona sy ho Sambatra
Ho tojo zay tadiavina
An-dalana diavina
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antsafi
Vangy : 821
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : zoandrianina
Daty : 25/08/2015 15:48
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0763