HALELOIA (ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Haleloia, Haleloia atolotray ho Anao
Haleloia, Haleloia ho Anao mpanjakanay
Haleloia, Haleloia sy hosana koa
Ho Anao ry Tompo be famindram-po

Ianao nanavotra ny fiainanay
Ianao nanoro lalàna anay
Ianao nanafaka ahy tamin’ny ota
Ry Tompo o hosana atolotray ho Anao

Haleloia, Haleloia atolotray Anao
Haleloia, Haleloia ho Anao mpanjakanay
Haleloia, Haleloia sy hosana koa
Ho Anao ry Tompo be famindram-po

Raha tsy teo Ianao ry Jesoa Tompo o
Zava-poana izay nisasaranay
Raha tsy Ianao mihitsy no miahy anay
Ry Tompo, dia tsy hisy zavatra ho hefanay

Haleloia, Haleloia atolotray ho Anao
Haleloia, Haleloia ho Anao mpanjakanay
Haleloia, Haleloia sy hosana koa
Ho Anao ry Tompo be famindram-po

Koa ny androm-paiainanay rehetra izao
Dia indro atolotray ho anao
Hamafisina eto anio indray ry Tompo
Ny fanoloran-tenanay mba ho irakao

Haleloia, Haleloia atolotray ho Anao
Haleloia, Haleloia ho Anao mpanjakanay
Haleloia, Haleloia sy hosana koa
Ho Anao ry Tompo be famindram-po

Nehemia RAKOTOARISOA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA
Vangy : 1135
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Zeea
Daty : 02/08/2017 08:19
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0713