AMBARAO E (ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Izao anio izao no fotoanaHitorinao ny famonjena
Sao ho avy Jesosy ka ho neninao
Tsy vita ny asany
Ambarao fa efa vitany
Ny helokao efa nodioviny
Malala no hiantsony anao izao
Midira amin'ny fifalian'ny Tomponao
Ambarao é ny famonjena
Fa mbola maro 'reo ho vonjena
Fa fifaliambe an-danitra any
Raha misy olona izay miova fo
Mandehana ambarao ny teny soa
Aza asina andrasondraso kely aloha
Sao ho tratra ny hariva indray ka ho tara ianao
Tsy vita ny asany
Aza avela tsy hisy handre ny teniny
Ambarao ny famonjena noentiny
Mba tsy hisy intsony ny hiantso antso hoe
Izaho tsy nandré, izaho tsy nandré
Ambarao é ny famonjena
Fa mbola maro 'reo ho vonjena
Fa fifaliambe an-danitra any
Raha misy olona izay miova fo
Michel RAKOTOARISOA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANAVangy : 1158
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : zeea
Daty : 08/05/2019 09:57