Izy (Antoko Mpihira MORIA)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny adin’ny finoana, dia aoka hotsaroanaFa Jeso no kapiteny
Raha Izy no miteny, mibaiko hoe mandrosoa
Dia aoka hankato fa aza mandà ianao
F’Izy irery no hiady, ianao kosa miandry
Izy tsy manao ambozizy, fa miantso moramora
Izy tsy mba mpanao ankivy
Na koa hoe manakora anao
Izy manolotra ny ainy ho anao izay nolalainy
Izy no tena kapiteny, fiadanana no omeny
Raha toa ianao miahotra, na sanatria matahotra
Dia aoka iloana am-bavaka
Fa io no mampiavaka, ny mpianatr’i Jesoa
Indrindra ihany koa, ahazoana hery anaovana
Ny asan’Andriamanitra
Ny tany ho toy ny lanitra
Izy sy ny hazo fijaliana no nampihavana antsika
Izy no famonjena vita, anjaranao no sisa izao
Miaingà ndehana mihavana, handrava ny satana
Kristy, torio tsy misy fetra
Ho an’ny olon-drehetra
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Antoko Mpihira MORIAVangy : 158
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : tokyrajoelison
Daty : 09/06/2024 07:27