Inona kosa (Antoko Mpihira MORIA)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Inona kosa no havaliko AnaoRe ry Tompo Jehovah
Noho ny soa rehetra nomenao ahy
Mpanompo izay tsy mahasoa
Ka ny kapoaky ny famonjena
No asandratro avo indrindra
Inona kosa no havaliko Anao
Re ry Tompo Jehovah
Noho ny soa rehetra nomenao ahy hatrizay
Eny ho raisiko ny kapoako
Efa natolotrao ahy
Ary hiantso ny anaranao
Eo anatrehan'ny olona rehetra
Eo afovoan'ilay kianjanao
No anefako indray ny voadiko
Jerosalema, Jerosalema
Hanandratako ny famonjena
Eny hanefa ny voadiko aho
Ny voadiko aminao ry Jehovah ô
Eny eo anatrehan'ny olona
Dia ny olona rehetra
Zava-dehibe aminao tokoa
Ny fahafatesan'ny olona
Nefa indrisy Jehovah ô
Inona kosa no havaliko Anao...
Eny Ianao, no anaterako fanatitra
Eny Ianao, fanati-pisaorana
Ary hiantso ny anaran'i Jehovah
Eo anatrehan'ny olona
Anatrehan'ny olona no anaterako
No anaterako ireo fanati-pisaorana
Ary hiantso ny anaranao
Eo an-kianjan'ny tranonao
Tranonao ry Jehovah ô
Eny Ianao ry Jerosalema
Inona kosa no havaliko Anao...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Antoko Mpihira MORIAVangy : 480
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : tokyrajoelison
Daty : 28/07/2022 19:41