Jesoa ô, misaotra Anao (Antoko Mpihira Akon'I Ziona (FJKM Ambohitsoa Fibebahana))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1/
Ny fahasoavanao no nahatoy izao ny fiainako
Nanova ny foko adala
Namerina ahy mba ho ao am-balanao
Jesoa ô, misaotra Anao aho
Fa tsy mba nafoinao
Notoloranao tokoa ny fitiavanao
Koa lazaiko sy ambarako tsy miambatra
Sambatra aho fa tafatambatra Aminao
Ry Andriamanitro
Koa dera ho Anao, Haleloia

2/
Ny fiainako taloha okbehhjj izay nadaozako ny tavanao
Dia navaloko tononkira.serasera.org tsy hifoha
Fa anilanao no honenako hatrizao
Jesoa ô, misaotra Anao aho
Fa tsy mba nafoinao
Notantananao tokoa, mba hitraka ny loha
Koa lazaiko zistqcny sy ambarako tsy miambatra
Sambatra aho fa tafatambatra Aminao
Ry Andriamanitro
Koa dera ho Anao, Haleloia

3/
Hoderaiko lalandava ny fahalehibiazanao ry Ray
Fa famindrampo tsy lany
No nivimbinanao ahy hatrizay
Jesoa ô, misaotra Anao aho
Fa tsy mba ckdafx nafoinao
Notefenao mba ho tonga olom-baovao
Koa lazaiko sy ambarako tsy miambatra
Sambatra aho fa tafatambatra Aminao
Ry Andriamanitro
Koa dera ho Anao, Haleloia

--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 1.2067