Harena sy fananako (Antoko Mpihira Akon'I Ziona (FJKM Ambohitsoa Fibebahana))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1/
Tsaroako izao Jesosiko malala
Ny niaretanao tao Kalvary
Ny rà nalatsakao, ny aina niala
Ho fanavotana ahy izay mania
Kanefa aho malemy sy marefo
Malemy tsy maharo tena koa
Tsy nahatsiaro Anao izay nisento
Fa te hiliba, te hanara-po
Kanjo indro ny sandrinao mahery
Mitsotra hisakambina ahy izao
Jesosy be fitia sy mpampahery
Harena sy fananako Ianao

2/
Tsaroako izao Jesosiko malala
Ny fampianarana nataonao
Hifankatia fa tsy hifankahala
Handresy lahatra ny ratsy izao
Kanefa aho malemy ka nania
Ka tsy nanaraka ny teninao
Fa nifanenjika amin’ireo tsy tia
Nifanaratsy isan’andro izao
Kanjo indro ny sandrinao mahery
Mitsotra mba hanitsy ahy izao
Jesosy be fitia sy mpampahery
Harena sy fananako Ianao

3/
Jesosy ô, Ianao no famonjena
Hanafaka izao tontolo izao
Ho sambatra tokoa ny firenena
Izay mino ary koa matoky Anao
Kanef’indrisy fa tsy nankato
Ka tebiteby no hiainana ety
Ny saina sy fanahy sy ny fo
Marary ka tsy mety hifankatia
Kanjo indro ny sandrinao mahery
Mitsotra hisakambina ahy izao
Jesosy be fitia sy mpampahery
Harena sy fananako Ianao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antoko Mpihira Akon'I Ziona (FJKM Ambohitsoa Fibebahana)
Vangy : 226
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : akoniziona
Daty : 08/11/2023 13:12
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0751