Fa tsy ny tenanay no torianay (Hira faneva faha 35 taona) (Antoko Mpihira Akon'I Ziona (FJKM Ambohitsoa Fibebahana))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1/
Hitsangana izahay izao
Haneho ny fanekenay Anao Jesoa
Hanaraka Anao ka tsy handao tokoa
Vonona aho miaramila tsy hiamboho
Ny tigetranay dia tsy miova fa
Hampiely ny Filazantsaranao
Mba tsy hisy hitoetra anaty aizina
Fa samy handre ny teninao
Fa tsy ny tenanay no torinay
Fa Kristy Jesosy Tompo

2/
Endrey ny hafalianay
Fa notantananao ny fikambananay
Nandritr’ireo taona maro lasana
Teo Ianao Jesoa nialoha lalana
Lalan-davitra no nodiavinay
Nisedrana fitsapana mahamay
Ny hasoavanao dia tsy niafina
Fa nitaratra ny dianay
Fa tsy ny tenanay no torinay
Fa Kristy Jesosy Tompo


3/
Tsy mba ho ketraka izahay
Na ho inona hasarotry ny asanao
Hijoro tokoa ho tena sahy
Tsy ho menatra ny hanambara Anao
Indro atolotray izay anananay
Hiderana Anao ry Tompo maminay
Raiso koa ity hira fa asandratray
Ho fisaoranay Anao ry Ray
Fa tsy ny tenanay no torinay
Fa Kristy Jesosy Tompo

4/
Mba hamasino re ry Tompo
Ho mendrika hitondra izany hafatrao
Omeo ny fanahy hahay manompo
Mba hahatonga anay ho tena mpianatrao
Koa fenoy ny fahendrena avy Aminao
Mba hizoranay amin’ny lalanao
Esory ny tahotra ao anatinay
Ka herezo ny finoanay
Fa tsy ny tenanay no torinay
Fa Kristy Jesosy Tompo
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antoko Mpihira Akon'I Ziona (FJKM Ambohitsoa Fibebahana)
Vangy : 141
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : akoniziona
Daty : 08/11/2023 10:40
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.074