Ny Fahavelomana (Antoko Mpihira Akon'I Ziona (FJKM Ambohitsoa Fibebahana))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1/
Zovy no tsy ravo fa velon’aina izao
Mbola mijoro tsy lavo, tratr’ity andro vao
Nahazo fitahiana soa, avy taminao Jesoa
Ka mifaly, mihoby izany fo
Isaoranay Ianao ry Andriamanitra
Nitantana hatrizao izany fiainanay
Ny dera, laza, e atolotra avokoa
Fa mendrika sy sahaza ho Anao Tsitoha
Indro asandratray ny feo hihira ho Anao
Hankalaza ny fitiavanao ry Ray

2/
Sarobidy indrindra ny fahavelomana
Hery fototra mandrindra, ny fitomboana
Maneho ny fisian’aina, mamelona ny saina
Sy tena mba hanana ho kendrena
Kanefa maro no tsy mahatsiaro
Fa ny fahelomana anie mandalo mielina e
Ka dia variana amin’ireo lalao ety
Ary ambaniana ny ho avin’ny fanahy ary
Aoka handinika ianao ka hiverina indray
Izao anio izao fa miandry anao ny Ray

3/
Ny hafatra ambara ho sainina tokoa
Jesoa dia mikarakara ny olana manjo
Koa mandehana aza manahy, minoa an’i Jesoa
Dia tafio ny sabatry ny fanahy
Ny fahamarinana no mampiadana
Ny fahaverezana no setrin’ny fadavana
Dien’ny mbola tsy tara ndeha hiezaka
Hanao ny tsara ary samy hibebaka
Ka hanaiky sy hanolo-tena ho an’Andriamanitra
Fa omena handova izany lanitra
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antoko Mpihira Akon'I Ziona (FJKM Ambohitsoa Fibebahana)
Vangy : 182
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : akoniziona
Daty : 08/11/2023 10:38
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0741