Filamatra (Antoko Mpihira Akon'I Ziona (FJKM Ambohitsoa Fibebahana))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1/
Ny mijoro ka tsy mba mirona
No azo itokiana fa tsy mba mamitaka
Na rivo-mahery, na ora-midona
Tsy mba lavo na misintaka
Ny manaja ny toky nomena
No maneho fananam-pahendrena
Mihevitra hatrany tsy handratra ny hafa
Mandala ny fahamiranana
Tsy hisy tomany, ny ady ho voafafa
Izay no tena fiadanana

2/
Voalaza fa ny fitiavana
Dia fanomezana avy any an-danitra
Nomena antsika mba hampiavana
Sy hampiray hampitambara
Ny fitiavana dia mahafoy ny soa
Sady tsy mba manisy ratsy
Mampilefitra ny fo ary mamatsy
Ny tena hananantsaram-panahy
Ny mifankatia no zanaky ny Ray
Izay handova fifaliana rahatrizay

3/
Onena Jesoa ny fo mahita ireo
Mahantra sy sahirana tsy manana
Ao ireo marary, ireo tsisy mpiahy
Ireo voafonja, voazanaka
Andriamanitra ô, mba omeo azy ireo
Izay rehetra ilaina anio
Dia ny fahafahana amin’ireo gadra
Izay mamatotra ny fiainany
Dia taomy koa ny fony hitodika Aminao
Ka hatoky fa Ianao Ray tsy mandao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antoko Mpihira Akon'I Ziona (FJKM Ambohitsoa Fibebahana)
Vangy : 170
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : akoniziona
Daty : 09/11/2023 08:27
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1569