Fiainam-baovao (Ampifafi)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1°Mba tsarovy ilay fotoana nanoloran-tena
Tamin’ny andro izay nanaovana fanekena
Tamin’ny fitiavana voalohany tsy nisy fitaka
Sy nandraisana ny Tompo ho Mpamonjy Anao
Aza adino fa Jesosy anie hatramin’izao dia mbola tia anao
Ranomaso no nirotsaka nipatrapatraka
Raha nahazo famelana tamin’ny heloka ianao
Fifaliana lehibe no nampitsinjaka
Hira fiderana foana no asandratra
Haleloia, haleloia, voninahitra ho an’Andriamanitra
Ref : Mandroso f’aza mihemotra ianao
         Hefao ny voady efa nekena taminy
     ymiwb     Hijoro, hanambara ny fitiavany
         Sy ho vavolombelona ny asany
         Manerana izao tontolo izao
2°Tano mafy fa aza avotsotra ny Famonjena
Fa ny otanao rehetra dia efa navela
Aoka hitombo sy hamoa hatramin’ny farany
Fanomezam-boninahitra ny tononkira.serasera.org Anarany
Amin’ny zavatra rehetra izay miseho yvdp ety ambonin’ny tany ety
Fiainana mandrakizay anie no tarigetra
Fanomezam-pahasoavana ho an’ny rehetra
Izay nanao ny fanompoana hatramin’ny farany
Sady mahatanteraka ny hazakazany
Tsy ho menatra akory izay rehetra vcvpgvsq miandry sy mialoka Aminy

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ampifafi
Vangy : 204
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Dadasa
Daty : 22/04/2026 06:47
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0321