ANDROM-PAMONJENA (Ampifafi)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Androm-pamonjena izao androtsika izao
Nandatsahinao ry Ray ny Fanahinao
Ny olona rehetra tsy an-kanavaka tokoa
Satria izay manantona Anao dia tsy mba nolavinao
Koa mitandrema ary ianao sao dia voafitaka

Fa ny devoly ange, tsy tia Fanahy Masina
Koa izany no amitahany anao
Tsy handray ny Fanahy Masina
SAtria izany Fanahy izany
Ilay hery Mpanafaka, Ilay Hery Mpanavao
‘Lay Herin’Andriamanitra

Andro farany tokoa zao androntsika izao
Miseho etsy sy eroa ireo famantarana
Andro tena mampahory sy mampivarahontsana tokoa
Koa mitandrema ary ianao sao dia ho voafitaka
Fa ‘lay dragona mpamitaka tsy faly ny hamonjena anao
Ka ambarany fa ny Fanahy dia tsy milatsaka
K any mpitondra fivavahana no asainy manambara
Fa hoe lasan-ko tantara ny Andron’ny Fanahy Masina

Koa aza dia mangatak’andro sao lahy ho nenina
Fa ndrao ity andro iray ity no farany havelomananao
Ny Fanahy Masina no tombon-kase ho fanavotana
Ny batisan’ny rano no ho famelan-keloka
Koa mitandrema ary ianao sao dia ho voafitaka
Fa ny zazakely no hataon’ny Tompo tso-drano
Fa ny lehibe rehetra kosa izay nahatsiaro tena
Ka voatsindrona ny tao aml-pony dia nanolo-tena
Nateraky ny rano sy Fanahy Masina
Batisan’ny rano, batisan’ny Fanahy
Izay vao zanak’Andriamanitra
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ampifafi
Vangy : 635
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : ampifafi
Daty : 12/12/2020 08:54
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7178