Fiainam-baovao (Ampifafi)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1°Mba tsarovy ilay fotoana nanoloran-tena
Tamin’ny andro izay nanaovana fanekena
Tamin’ny fitiavana voalohany tsy nisy fitaka
Sy nandraisana ny Tompo ho Mpamonjy Anao
Aza adino fa Jesosy anie hatramin’izao dia mbola tia anao
Ranomaso no nirotsaka nipatrapatraka
Raha nahazo famelana tamin’ny heloka ianao
Fifaliana lehibe no nampitsinjaka
Hira fiderana foana no asandratra
Haleloia, haleloia, voninahitra ho an’Andriamanitra
Ref : Mandroso f’aza mihemotra ianao
         Hefao ny voady efa nekena taminy
         Hijoro, hanambara ny fitiavany
         Sy ho vavolombelona ny asany
         Manerana izao tontolo izao
2°Tano mafy fa aza avotsotra ny Famonjena
Fa ny otanao rehetra dia efa navela
Aoka hitombo sy hamoa hatramin’ny farany
Fanomezam-boninahitra ny Anarany
Amin’ny zavatra rehetra izay miseho ety ambonin’ny tany ety
Fiainana mandrakizay anie no tarigetra
Fanomezam-pahasoavana ho an’ny rehetra
Izay nanao ny fanompoana hatramin’ny farany
Sady mahatanteraka ny hazakazany
Tsy ho menatra akory izay rehetra miandry sy mialoka Aminy
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Ampifafi
Visites : 20
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Dadasa
Date : 22/04/2026 06:47
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0325