JESOSY FIALOFAKO (Ampifafi)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Jesosy ô ! ianao no fialofako
Ka ametrahako ny fiainako rehetra
Mangetaheta ny fitiavanao ny aiko
Te hifikitra Aminao tokoa tsy misy fetra
Raha sitrakao re ry raiko ô!
Meteza indray mandeha
Hitantana ny diako sy izay aleha

Fanatatro fa ianao no mahay
Mampahery ry Tompo ô!
Henoy ny fivavako
Fanantenako sy hery ary fandresena ho ahy
Ry Tompo ô! Ampaherezo aho

Fa ao Aminao aho mitony sy mifaly ny fo
Anilanao aho voavonjy tsy mijaly tokoa
Raha sitrakao re Raiko ô! Meteza indray mandeha
Hitantana ny diako sy izay aleha

Jesosy ô! Ianao irery no fiarovako
Ho reharehako sy ampingako ary mandako
Mpanala sento, mampifaly, mampitraka koa
Tsy te hanary fa hamonjy ahy mpamoy fo
Ny fahavalo te andavo sy hamotraka Jeso
Dia resy tsy tana noho ny herinao
Azoko antoka Tompo fa Ianano no fitaratra ho ahy
Amin’ny fiainako tsapako tsara tokoa raha Ianao no miasa
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ampifafi
Vangy : 550
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : ampifafi
Daty : 12/12/2020 08:54
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0761