Tsaroanao ve hatrizao (AMAA [Antoko Mpihira Avaratr' Andohalo])
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Do dia E1-Tsaroanao ve hatrizao
Ny hafatra izay natao
Mba ho anao sy ahy koa
Mandehana, torio ny teny soa
2-Adidy masina ekeo
Hajao ny fiantson'ny feo
Mangataka sy mitoreo
Mandehana, torio ny teny soa
3-Moa iza no andrasanao
Hanitsy ny firenenao
Rah'aminao no tong'izao
Ilay antso teny soa ambarao
4-Savao ny làlana anio
Jesoa re no itafio
Hazony 'zany tadidio
Mandrosoa, ny teny soa torio
5-Ny herin'ny finoanao
Tsy zava-poana ka lalao
Fa hanome fiainam-bao
Mandehana, torio ny teny soa
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : AMAA [Antoko Mpihira Avaratr' Andohalo]Vangy : 1435
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : rvnjr
Daty : 23/08/2014 17:14