MPIANDRY ONDRY (Afif (Anjomara Fifohazana Andohatapenaka))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Mpiandry ondry tao an-tsaha tao
No nandre ilay zava-baovao
Indro nisy anjely izay nilaza
F'efa teraka Jesosy zaza

Aleloia sy Hosana
Asandrato ny feo fiderana

Fifaliana lehibe ho an'ny olona rehetra
Fa Mpamonjy re no teraka
Indro teraka ho antsika ao an-tanànan'i Davida
Dia tsy iza fa Kristy Tompo

2- Ary nisy anjely maro be
'zay niaraka nihira hoe
"Voninahitra ho an'Andriamanitra,
Fiadanana ho an'ny olona

Aleloia sy Hosana
Asandrato ny feo fiderana

Fifaliana lehibe ho an'ny olona rehetra
Fa Mpamonjy re no teraka
Indro teraka ho antsika ao an-tanànan'i Davida
Dia tsy iza fa Kristy Tompo
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Afif (Anjomara Fifohazana Andohatapenaka)
Vangy : 48
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : AFIF
Daty : 11/08/2024 06:41
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.073