TSY MISY HIANTEHERAKO (Afif (Anjomara Fifohazana Andohatapenaka))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy misy hianteherako afa tsy Ianao Jesosy ô!
Tsy misy itokisako afa tsy ny anaranao,
Tsy misy atahorako raha Ianao no miaro ahy.
Toky sy aroko Ianao Jesosy ô!

Ianao Jesosy o! No vatolampiko
Ianao no Tokiko sy Fiarovako
Ireo fahavalo,
Ny loza sy hatambo tsy misy atahorako
Satria efa manana Anao aho, Jesosy ô!

Ny anaranao Jesoa, no mahavonjy anay.
Ka io no antsoiko raha sendra ady mafy.
Ny fitiavanao Jesoa, no mahavonjy anay.
Jesosy o! Matoky aho fa manana Anao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Afif (Anjomara Fifohazana Andohatapenaka)
Vangy : 44
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : AFIF
Daty : 13/08/2024 19:15
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.258