SITRANO (AFA Feon'ny Fampiraisana F8(Anosibe))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tompo ô, sitrano aho Mba hanaraka ny sitraponao
Raha ny heloko, ny otako avelao
Sitrano aho Tompo ô ! Hanao ny sitrakao
Fa raha ny fiainako Apetrako Aminao
Eo Aminao Tompo ô ! No mahatsara ahy
(1+2) Be voninahitra sy Mpanasitrana
Mpanafaka tokoa Ianao

Ianao anie Tompo ô ! No Mpanasitrana
Ny aretina mandringana anay
Sitrano re raha sitrakaoFanahy Masina ô!
Ka mitoera re aty anatinay

(1 voix) Fa befitiavana tokoa raha Ianao
(1+2)     Mpamela heloka tsy mba mandà
(1+2+3)Izany indrindra no iantsoko ny Anaranao !
(choeur)HANASITRANA NY ARETINA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AFA Feon'ny Fampiraisana F8(Anosibe)
Vangy : 517
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : TBEA
Daty : 13/05/2022 22:52
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1167