Fireneko (AFA Feon'ny Fampiraisana F8(Anosibe))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Latsaka anaty ny aizana 'ty fireneko.
     Ka mila Anao ry Ray ô! Fa maro ireo misento.
     Sahiran-tsara izy ireo tsy hita intsony izay aleha.
     Ianao Ray ô! Ianao Ray ô! No andry iankinanay.

Ref : Mila Anao Ray ô! 'ty fireneko
         Mila Anao Ray ô! Fa feno sento
         Omeo ilay fanahy mahery, hitaridalana anay
         Iantrao Ray ô! Iantrao 'zahay fa aza avela hitoreo

2- Maro ireo mamohy fo toa tratra ny hakivina.
     Omeo fo matoky anao Ray hiainam-pifaliana.
     Tolorinao fahendrena ireo 'zay mpitondranay
     Hiadana, finaritra, 'ty firenenay ity.

Ref: Mila Anao Ray ô! 'ty fireneko. Mila Anao        Ray ô! fa feno sento (2 fois).
        Omeo 'lay fanahy sns...

1+Ref
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AFA Feon'ny Fampiraisana F8(Anosibe)
Vangy : 1506
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : TBEA
Daty : 06/06/2018 09:25
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2645