Hafatra (AFA Feon'ny Fampiraisana F8(Anosibe))

1-Ity misy hafatr’iray (‘zay), ambarako aminao
   (Fa ny) Ny fiainan’eto an-tany, mazàna mampitomany
   F’izao no lazaiko aminao (fa), Jesosy irery ihany
   No manafak’ireo sento sy ireo alahelo

Ref:
(Noho izany) Tsy sitrakin’i Tompo ianao ry ory fo, itomany sy alahelo,
(Alahelo) Fa mahereza ary matanjaha ianao
Aza manahy fa Jehovah Andriamanitra dia tsy handatononkira.serasera.orgo anao izany

2-Mandalo ny fiainan’an-tany (ka), ho levona izany
  (Koa) Miambena mivavaha, fa maro ny fahavalo
   F’izao no lazaiko aminao (fa), Jesosy irery ihany
   No fiarovana ho anao amin’ny andro fahoriana

Ref:
(Noho izany) Tsy sitrakin’i Tompo ianao ry ory fo, itomany sy alahelo,
(Alahelo) Fa mahereza ary matanjaha ianao
Aza manahy fa Jehovah Andriamanitra dia tsy handao anao izany

Mpihira : AFA Feon'ny Fampiraisana F8(Anosibe)
Mpamaky : 45
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : TBEA
Tamin'ny : 13/05/2022 20:51:42
ID : 14218

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo