Tsy Misy mahasolo (AFA Feon'ny Fampiraisana F8(Anosibe))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Hasambarana fiadanam-po Jesosy ô!No atolotrao hameno ny foko
Ny hasasarako, ny adiko zakainao
Fitiavana feno noatolotrao ahy
Ref:
Efa fantatrao ny ao anatiko ao Jesosy ô!
Tsisy asoloko ny fitiavanao fa ampy ahy
Na izany aza, ny lalako tsinjovy
Be fandrika loatra anie ny lalanay ety
2-Tena tsapako ao anatiko ao Jesosy ô!
Feo malefaka mitondra hafaliana
Mialamaina izay mikasa ny handavo ahy
Ianao no Mpanjaka ny foko Tompo ô!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : AFA Feon'ny Fampiraisana F8(Anosibe)Vangy : 452
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : TBEA
Daty : 13/05/2022 22:52